Anjatony maro ireo Namangy ny Minisitra Razafimanazato Julien mianakaavy teny an-tranony

Samedi, 10 avril 2010

Nifampiharahaba tratrin’ny  taona tao amin’ny trano fonenan’ny Minisitrin’ny fanabeazam-pirenena ireo solontenan’ny zanaky ny FARITRY  SOFIA miasa sy monina eto Antananarivo. Anjatony maro izy tonga tamin’izany. Hita tao ny Loholona teo aloha Ruffine TSIRANANA, Minisitrin’ny fiarovana teo aloha sady Filohan’ny Sojabe ny Jeneraly Mamizara Jules, ny Deputé ZALIFA, ny mpanolotsaina manokan’ny Praiminisitra, BERANTO Alexandre, sy ireo olo mankaja maro sivily sy miaramila avy amin’iny faritra iny. Teo ihany koa ireo mpianatra mianatra eny amin’ny ambaratonga ambony. Nanotrona ny Minisitrin’ny Fanabeazam-pirenena ireo mpiara-miasa aminy akaiky ao amin’ny Minisitera. Hita tao koa ireo mpanakanto maro avy amin’ny Faritry SOFIA, toy Jean Rigot, Ejema, Da’mama, … sy ilay Ramatoa kely Sarah, ilay Mannequin zanak’I SOFIA avy any USA. Marihana fa amin’ny 24 avril ho avy izao ny fifampiarahaba tratrin’ny Asaramanitra ho an’ny rehetra zanakin’ny Faritry Sofia miasa sy monina eto Antananarivo. Lanonana izay ho tanterahina any amin’ny « Espace Salohy », eny Atsimondrano.

Partager