Dimanche, 16 mai 2010
Tompokolahy sy Tompoko vavy,
Hoy ny Ntaolo hoe, izay mangina volamena, ady amin’ny adala ka ny hendry no miala ; eny niezaka tokoa izahay nilefitra, niezaka izahay nangina, na dia nisy aza ireo teny sy lahateny nanafitohina sy nandratra ny fo. Ny firenena no nololohavinay, ny vahoaka no notompoinay, ka dia natao ho toy ny ro-madio tsy arahin-dromoromo izany rehetra izany mba tsy ho hena matavy arahin’alahelo.
Ny làlana hono misy sisiny, ny akanjo misy sosony, ny kidoro misy sesiny, fa ny teny misy sasiny ; ka raha ny mpitondra fivavahana, olona noeritreretina ho olo-kendry no lasa miteniteny foana sy manao tsinotsinona ny tolom-bahoaka dia hoy izahay hoe TSY EKENA.
Amin’ity andro anio ity dia tofoka sy leo ary kivy mihitsy izahay tanora, zandry, zanaka, zafikely, mpiray tanindrazana mahita ny teny navoak’ireo izay noraisinay ho zoky ray aman-dreny, mpanabe, fanilo manazava ny lalana izorana eo anatrehan’ny Tompo.
Ka miala tsiny indrindra re tompoko, fa efa tsy mipetraka intsony amin’ny toerana sy haja nametrahana anareo ianareo, ry pasitera isany, satria raha jerena dia toa olon-kendry tantely fiandry andriana ; kanjo noho dinihana fanahim-bonim-bary fiandry alika.
Raha toa ka haneo ny hevitrareo manokana ianareo amin’ny maha olom-pirenena anareo dia eny tompoko, malalaka ny sehatra, demokrasia isika izao, mihaino anareo izahay, fa raha ny finoana, na ny anaran’Andriamanitra no holotoinareo amin’ny fitiavan-tenanareo dia hoy izahay tanora malagasy vonona, mpivavaka sy mpino an’Andriamanitra toa anareo hoe TSIA, tsy azo ekena ary tsy azo leferina izany.
Ka raha feno fahendrena marina ianareo dia tsy ny teny hampisaraka no ho voizinareo, fa kosa teny hanamafy hatrany ny firaisankina sy ireo ezaka rehetra izay efa nataon’ny filoha Rajoelina ho an’ny firaisampirenena, ka hijery amin’ny fo tsy miangatra amin’ny maha olom-pinoana ny mpanao tsara sy ny mpanao ratsy eto ami’ny tany sy ny firenena ianareo.
Indrisy mantsy, fa ny vola, ny tombotsoa manokana no nataonareo laharampahamehana. Eny nisy pasitera nahazo vola maro ary tena nangoron-karena tokoa tamin’ny fotoan’Andriamatoa Ravalomanana, fa kosa TSIA, ary mbola averinay, TSIA tsy hividy vola anareo ny filoha Rajoelina. Ka dia aza fitahana re tompoko ny vahoaka, aoka ny tombotsoanareo manokana hijanona ho anareo irery ihany fa aza afangaro amin’ny vavaka sy ny finoam-bahoaka fa hanody anareo izany.
Ka hoy ny Ntaolo hoe ny nenina hono tsy aloha hananatra fa afara handatsa, ka raha hanohy hamitaka ny vahoaka ianareo, dia izy ireo ihany no handatsa anareo.
Atsipy ny tady an-tandroky ny omby, atsipy ny teny am-pon’ny mahalala.

Allocution du Président Andry Rajoelina le 12 mai 2010