Jeudi, 10 juin 2010
Teo am-pivorian’ny Birao Mpanatanteraka Nasionalin’ ny antoko dhd Madagasikara no nandrafetana izao fanambarana manaraka izao:
Afaka iray volana katroka dia hankalaza ny faha 50 taona nahazoana ny fahaleovantenam-pirenena isika Malagasy. Ampifaliana sy amboninahitra sahady no iarahaban’ ny antoko dhd Madagasikara ny Vahoaka malagasy tsy vakivolo hahatratra izany vanin’andro lehibe izany.
Dingana iray lehibe nolalovan’ny firenena sy ny fiarahamonina Malagasy izany fahazoana ny fahaleovantena izany. Maro ny olompirenena sy ny vahoaka ary hery politika isan-tsokajiny nanao ny ainy tsy ho zavatra tamin’izany vanim-potoana izany.
Tsy nitsahatra ny tolona nataon’ny Vahoaka Malagasy hatrizay ka hatramin’izao andro izao. Miady hatrany izy mba hampiharina ho an’ny rehetra ny zo maha-olona sy ny demokrasia. Ankoatra ny zo arapolitika sy sivika, dia takian’ny olompirenena rehetra ny fahaleovantena sy ny zo fototra aratoekarena, arasosialy sy arakoltoraly. Fahavononana iraisan’ny fiarahamonina Malagasy ny miady ho amin’izany. Fomba fitantanana sy fahefam-panjakana demokraty sy demokratika ny takiany hatrany.
Ho fandresena dia mitaky fitoniana sy firaisankina ny Malagasy isan-tokatrano.
Atsipy hono ny tady eny an-tandroky ny omby fa ny teny kosa any amin’ny manam-panahy! Manao antso avo ho an’ny Hery isan-tsokajiny sy ny Vahoaka Malagasy àry ny antoko dhd Madagasikara: “Hery ny vorona ny elany fa hery ny olona ny firaisankinany”
Hataontsika mendrika sy am-pahamendrehana tanteraka izany fankalazana izany. Zo maha-olona feno ho an’ny olompirenena tsirairay ny miaina izany fotoana izany.
Antananarivo, faha 26 may 2010
Amin’ny anaran’ny Birao mpanatanteraka Nasionaly
Ny Directeur Central chargé de la Ny Sekretera Jeneraly Ny Filoha nasionaly
Bienvenu RANDRIAMASINORO Prof. Dominique ANDRIAMIZAKA Hary Naivo RASAMOELINA
« Idées nouvelles, nouvelle organisation – Fijery vaovao, fandaminana vaovao »

Allocution du Président Andry Rajoelina le 12 mai 2010