Dimanche, 26 juin 2011
Ny tena fahaleovantena dia ny fahaleovantena miompana amin’ny zo fototra ho an’ny isambatan’olona ary manomeo antoka ny mpiray tanindrazana ho mpiara miombon’antoka amin’ny ho avin’ny Fireneny. Ny zo hisakafo, zo hiresaka, zo hiasa, zo hianatra, zo hiofana, zo hifaly, zo ny ho salama, zo hiaina lavitry ny tebiteby, zo manoloana ny fitsarana, …, dia ireo zo rehetra, ka mampitovy ny olom-pirenena tsirairay izany.
Mora tenenina ireo zo fototra ireo, nefa sarotra tadiavina, ka amin’izao ankatoky ny fetim-pirenentsika izao dia faly miarahaba ny mpiray tanindrazana rehetra mba samy hahazo sy higoka izay tandrify azy tsirairay ho an’ireo zo fototra iompanan’ny fahaleovantenan’ny Tanindrazana iraisana.
Julien Razafimanazato
Président National de l’E.S.D. (Espace de Solidarité pour le Développement)

Allocution du Président Andry Rajoelina le 12 mai 2010